35-"Eo ambany elatrao"( à l'ombre de tes ailes)
Mirehitra ny trano fanangonana mololo! ao anatin'ny fahakiviana tanteraka ity mpiompy ity no miady amin’ny afo vao nirehatra vao tsy ela teo
Ny tranon'omby, ny tranon’akoho, ny trano hipetrahana koa aza hatahorana ho tratry ny afo
Tonga ny mpamono afo sy ny olona manodidina, avy hatrany dia tonga nanambatra ny heriny!
ouuffff! maty ihany ny afo ny farany!
Nandeha nijery ny manodidina ny toerana fiompiana ilay rangahy mpiompy satria nitaintaina momba ny bibiny izy, fa tsy tratry ny afo akory ireo biby.
Haaaa! soooooa ihany !!!
Fa !!! aiza kosa ary no nalehan’ny akoho fotsy sy ny zanany valo? haaaa! ireto izy e! fisaka tato ilay akoho vavy sady nitolefika ny lohany
mangana ny volony : maty ty!
Ningain’ilay rangahy ny elatr'ilay akoho efa tsy misy aina tsony: ireny eny zanak’akoho valo nitsoriaka nivoaka avy ao
takatr'ilay rangahy fa nangonin'ilay reny akoho tao ambany elany ireo zanany rehefa tadindon'ny loza
Afaka nihazakazaka nanalavitra ny lelan’ afo ilay reny akoho nefa ny akoho kely tsy hanana hery hanaovana an'izany!
Mba hamonjeny ireo zanany ireo dia namoy ny ainy izy.
Manome ny ainy mba hamonjena ny ain’ny hafa, izany no nataon’i Jesosy -Kristy, Zanak’Andriamanitra
Mba ihalantsika amin’ny afon’ny fahatezer’Andriamanitra dia Jesosy Kristy no niharan’ny fitsarana ny amin'ny fahotantsika .
Nanome ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana Izy ary maty teo amin’ny toerantsika Jesosy!
Hoan’ireo izay rehetra mino Azy dia mihoatra lavitra nohon’ny fiarovana tsotsotra ny nataon'i Jesosy satria manome fiainana vaovao Izy ary fiainana mandrakizay. Voavonjy mandrakizay!
Ny mpino dia manana fialofana eo anatrehan’ny loza maro mitranga eo amin’ny fiainany, ary izany no antsoin’ny Baiboly hoe « Ny helatr’Andriamanitra Mahery"
Nohon’ny fahotany dia dia hiaran’ny fitsaran’Andriamanitra ny olona.
Iza nefa no handà ny fialofana tena azo antoka atolotr’Andriamanitra maimaimpoana?
« Endrey ny hatsaran’ny famindramponao Andriamanitra ô! Ka mialoka eo amin’ny aloky ny elatrao, ny zanak’olom-belona, hoy ny Salamo 36 andininy faha 8.
"Fa efa namonjy ahy Hianao, ary eo ambanin’ny aloky ny elatrao no hihobiko," Salamo 63 andininy faha 7
"Ary eo ambany ny elany no hialofanao," Salamo 91 andininy faha 4.
Nahita izany fialofana izany ne ianao?
Негізгі бет 35-"Eo ambany elatrao"
Пікірлер