Andro vitsy taorian’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana lasitra nahazoana ny famatsiam-bola mitentina 155 tapitrisa dolara, dia natomboka androany 13 aprily 2019 ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahadimy mampitohy an'Ambilobe sy Vohemar. Tonga tao amin’ny distrikan’Ambilobe ny filoha Andry Rajoelina hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny asa.
Lalana mirefy 151km no hamboarina mampifandray ny faritra DIANA sy SAVA. Tetezana dimy vaovao no hatsangana ary tetezana folo hafa efa nisy teo no havaozina tanteraka. Mponina miisa 1700000 ao amin’ny kaominina : Marivorahona, Ambakirano, Betsiaka, Maromokotra, Daraina, Madirobe, Ampondra ary Vohémar no hisitraka ity tetikasa lehibe ity.
Негізгі бет AMBILOBE -VOHEMAR : NATOMBOKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ASA FANAMBOARANA NY LALANA
Пікірлер: 19