Efa miha madiva, ho maizina ny andro amin'ny efatra ora hariva, ho avy izay ianao mientana ny fo, aiza ihany ianao , ilay fanamperako Tsy andry ny maraina niarenana nifoha Ref// Mirana ny saiko, mijery anao ry aiko Omenao ilay fitsikinao nambabo ahy Isan'andro izao, toa manonofy anao Mahavariana ahy ny hatsaranao, mandrotika fanahy Faingana aza ela any, f'izaho efa miandry Ho fihininao. Dify miha milentika, ilay masoandro injay ianao fa reko manokatra ny trano Tsy niteny akory, indro tamy ianao Manoroka amin'ny fo. Tsisy ny ho lazaina fa to ireo nofiko Ref// Mirana ny saiko, mijery anao ry aiko Omenao ilay fitsikinao nambabo ahy Isan'andro izao, toa manonofy anao Mahavariana ahy ny hatsaranao, mandrotika fanahy Faingana aza ela any, f'izaho efa miandry Ho fihininao. (Instru) Ny tananao manafosafo ahy tsy foiko Ny angolanao rehefa mijery ahy no henoiko Eo an-tratranao manimanitra fitia tononkalo tena soa Voatahiry ao am-poko ao Ref Mirana ny saiko, mijery anao ry aiko Omenao ilay fitsikinao nambabo ahy Isan'andro izao, toa manonofy anao Mahavariana ahy ny hatsaranao, mandrotika fanahy Faingana aza ela any (faingana az'ela any), F'izaho efa miandry Ho fihininao.
Пікірлер: 5