Nalaina izy ny niantso indray
Te ho any aho nefa tsy sahy
"Zarako aza tsy hita hintsony ianao"
Avelako ho tapitra any
Sao izay ko no mba tiany atao
Na ny saiko aza tsy taitra amin'izany
Tsy hanery azy aho na hanontany
Manaiky koa aho rehef'izany, no hitany fa mety ho azy
Dia hionona ny saina
Handeha aho hiala amin'izay
F'izany ve no miandry ahy?
Ampy izay, ampy ahy
Ny ratram-po ho vita eo ihany
Ny fotoana eo hanampy ahy
Tsy ifanerena io sanatria na tsapaina
F'ho hita eo ihany
Avela hivalona, efa izany koa no efa tiany atao
Fa ny fitiavana tsy atao an'izany
Tsy hanery azy aho na hanontany
Manaiky koa aho rehef'izany, no hitany fa mety ho azy
Dia hionona ny saina
Handeha aho hiala amin'izay
F'izany ve no miandry ahy?
Ampy izay, ampy ahy
Ambo-po ihany ve ny ahy
Tsy ho tsiny nefa izany
Ny fiainana mitohy hatrany
Tsara tso-drano ...
Na ! na ! na ! na ! na ! ...
Ampy zay, tsy hanenina aho
Tsy hoe mafy fo , f'efa izay no anjara
Tsy hiteny intsony aho, tsy hifendrofendro koa
Fa ampy ahy izay, efa ampy ahy
Kix/Kix
Негізгі бет Ampy Ahy - AMBONDRONA - Presto Lounge La City 2017
Пікірлер