Ampahan'io fanambarana io, nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, ny 12 Jolay 2024:
« (…) Nomena fahalalahana ny Solombavambahoaka, mba hametrahan-tsika izay fampandrosoana izay, mba afaka ihany koa hitondra asa ho entina mamaly ny hetahetan’ny vahoaka. Ny zavatra tsapa, ny zavatra hita anefa, rehefa nidina niteny ireo distrika maro aho, dia maro amin’izao Solombavambahoaka no nanatanteraka ny asa amin’ilay teti-bola atao hoe CIAD (« Crédit d'investissement destiné à l'appui au développement » na vola natokana hanamafisana ny fampandrosoana, CLD teo aloha). Nisy no nanao izany.
Fa maro dia maro ireo izay tsy nampifototra izany amin’ny vahoaka, tsy namerina izany amin’ny vahoaka ary tsy nanao asa. Nisy Solombavambahoaka tsy nanao asa mihitsy tamin’ny CIAD. Ary tsy lany izy ireo satria fantatry ny vahoaka. Nanjavona ny CIAD.
Ka eto aho dia miteny aminareo hoe : Ataovy mivoaka ny CIAD fa aza atao manjavona izay CIAD izay ».
Mamerina aho fa tsy fomban’ny Filoha Rajoelina no manonona anaran’olon-dratsy mambotry ny firenena. Ny mampihomehy aho dia ireo tena mitabataba sy manaratsy anie no tena « nihinana » io CIAD io e ! Tokony ho fantany anefa fa vraha vao resaka volam-panjakana dia tsy maintsy misy porofo tavela foana, na ho dorany aza ny solosainy sy izay taratasy heveriny fa manameloka azy. Ny dikany dia fantatra daholo ireo Solombavambahoaka mpangalatra sy mpanodina ny volam-panjakana. « Détournement de deniers publics » izay heloin’ny Lalàna manan-kery eto Madagasikara.
Jeannot RAMAMBAZAFY
Негізгі бет Andry Rajoelina : Aza atao manjavona ny CIAD 12 07 2024
Пікірлер