Efa tena antomotra ny MISAOTRA AZY VITA BACC 2019 izay fisaorana an'Andriamanitra sy fiderana lehibe izay atao ao @ Palais des Sports Mahamasina ny alahady 27 octobre 2019 ho avy izao. Ity hira ity, izay ravahan'ny feon'i Rojo Ny Avo dia anisan'ny hira hiarahantsika miredona mafy @ io fotoana io.
ANJARA MASOANDRO
.
1° Tompo oh! Mitaraina Aminao izahay mpanomponao
Mba miangavy sy mitalaho
Mafy anie izao iainanay izao
Miandrandra Anao fa fotoanany izao itondranao fiainam-baovao
Ka ny ota mangeja anay mba vahao amin'ny Anaranao
.
Pont : Mba omeo 'zay ANJARA MASOANDRONAY izahay
Nofiko aninkeo ny ho tafita amin' izay
Jesosy oh! Mamelà ahy sy ny fireneko
Hitanao ny manjo anay
Kanefa ny sitrakao rehetra ekeko
Ampianaro aho mba hahay
Hiankina Aminao
.
Ref : Fa Ianao irery ihany no antenainay hamaly
Ny hataka sy fitalahonay Tompo Oh!
Na mandindona hatrany ny ratran'ny omaly
Sambatra aho fa manana Anao
Miatrika ady mahamay ankehitriny izahay
Nefa manam-panantenana aho Tompo oh!
Fa hiposaka indray 'lay masoandronay
Tsy maintsy mandresy izahay f'Ianao no miahy
.
2° Tompo oh! Hitanao avokoa
Ny adalana vitanay
Isanandro aho raha vao mifoha
Toa mitady hamerina indray
Fa ny Anao tsy maintsy arovanao manoloana izay hita izao
Izay mitarika anay hamitaka indray 'lay nahafoy ny Ainy ho anay
.
Pont : (...)
.
Ref : (... Tsy maintsy mandresy izahay
F' Ianao no miahy (Ianao Ray no mitantana anay)
Ny fiainanay (Tsisy ahiahy fa matok' izahay)
Mandrakizay (Vavaka iray no indro asandratray)
Ho anao sy ho ahy (Mandrakizay mila Anao 'zahay)
Негізгі бет Тәжірибелік нұсқаулар және стиль Anjara masoandro (Lyrics) - Tanora Masina Itaosy
Пікірлер: 57