IZAY VONONA NO MANDEHA
Tsy fanambaniana
fa aza tezitra ianao e!
Fa tsy haiko ny hangina hoe:
Avelao amin'izao e
Ny hava-tiana, raha tiana tokoa,
resahana ihany aloha
Jesosy famonjena e,
tsy mandehandeha ho azy e!
Safidy efa nomena
ho avy Izy haka ny an'azy e!
Fotoana ny Ray efa hatrin'ny elabe
Izay nateraka indray ihany no mandeha
Ny andron’ny famindram-po, kely sisa
Hitsena Azy eny amin'ny rahon'ny lanitra isika
Ny andron'ny famindram-po,
Izay dia lany
Ry be hambo-po, ho tavela ety an-tany
Tsisy ankivilivily fa na misotro na mamily
Tsisy hanapeka hevitra amin'ny toeranao
Homaniko ny dia,
na handeha ianao na tsia
Tsy afaka hilaza ianao hoe:
Tsy nisy nampandre
Fa efa kely sisa de lasa zao
Hamarino sao misy mamatotra anao
Fa raha lasa eo ny olona,
eo no raisina ianao
Ny apitson'iny hoy aho
tsy misy azo atao e
Fa efa kely sisa de lasa zao
Hafatrafaro de lazalazao
Mibebaka e, izay te handeha
Ahoana ianao fa eo indrindra isika izao
Izaho no lalana, izany no lazainy e!
Izy no hany làlana makany amin'ny Rainy e!
Ny ho any an-danitra ?
Safidy ety an-tany
Tsy n'iza n'iza akory dia tafidtra any
Na lasa aho , alaivo sary anie izany e!
Raha tsy lasa ianao, mararirary ihany e!
Mba tsy hisy hanenina, jerijereo
Fa tsara ny miaraka zareo
Ny andron’ny famindram-po, kely sisa
Hitsena azy eny amin'ny rahon'ny lanitra isika
Ny andron'ny famindram-po,
izay dia lany
Ry be ambo-po, ho tavela ety an-tany
Tsisy ankivilivily
fa na misotro na mamily
Tsisy hanapak'evitra amin'ny toeranao
Homaniko ny dia,
Na handeha ianao na tsia
Tsy afaka hilaza ianao hoe:
Tsy nisy nampandre
Fa efa kely sisa de lasa zao
Hamarino sao misy mamatotra anao
Fa raha lasa eo ny olona
Eo no raisina ianao
Ny ampitson’iny tsy misy azo atao
Fa efa kely sisa de lasa zao
Hafatrafaro de lazalazao
Mibebaka e izay te handeha
Ahoana ianao fa eo indrindra isika izao
Izay vonona no mandeha
Izay vonona no mandeha
Madama sa Ramose ?
Ahoana Ramose ?
Tompon-tsafidy ianao e!
Tompon-tsafidy ianao e!
Mpanapaka mpandidy ianao e!
Mpanapaka mpandidy ianao e!
Tsisy ankivilivily io,
Na misotro na mamily io
Tsisy ankivilivily io,
Na misotro na mamily io
Izay vonona no mandeha
Izay vonona no mandeha
Madama sa Ramose
Ahoana ianao Ramose
Kely sisa de lasa izao e!
Kely sisa de lasa izao e!
Hamarino sao misy mamatotra anao e!
Hamarino sao voafatotra ianao e!
Tsisy ankivilivily io,
Na misotro na mamily io
Tsisy ankivilivily io,
Na misotro na mamily io
Izay vonona no mandeha
Izay vonona no mandeha
Madama sa Ramose
Ahoana ianao Ramose
Sao tsy lasa ary vao hoe eeee!
Lozabe
A/C: Rija Rasolondraibe
Album : Mangataka rano
#rijarasolondraibe
#Mangatakarano
🎼KZitem: • Izay Vonona No Mandeha...
Негізгі бет Музыка Izay vonona no mandeha - + Tonokira Rija Rasolondraibe 2024
Пікірлер