Artistes: Mahaleo
Album: Mama Sera
Genre: Folk, World & Country
Sortie: 2007
song list:
1. Anjely (Dama)
2. Embona sy Hanina (Dadah)
3. Mianara Miaina (Raoul)
4. Post-Scriptum (Bekoto)
5. RN35 (Mama Sera) (Dama)
6. Rano sy Vary (Dadah)
7. Mipololotra (Raoul)
8. Renin-Drainivoanjo (Bekoto)
9. Orimbato (Dama)
10. Tsy Misy ny Doria (Dadah)
11. Kat'mi (Raoul)
12. Vatolahy (Bekoto)
13. Ambodibonara (Dama)
14. Mbola Irery (Dadah)
15. Miverena Modia (Raoul)
16. Madagasikara (Bekoto)
17. Ravorondreo (Mahaleo)
Marisarisa tsy salama hono ny toe-karena
Sendra làlana malama mampihenahena
Mandositra ny ambanivohitra ny fahantrana
Mirongatra eny ambonivohitra izy ka tsy tàna
Aiza ho aiza hoy ianao ny toerana hamaharany
Hanorenany indray izay mety ho tantarany
Fa eny ambodibodi-hazo
Tsy ialàna tazotazo
Tazotazo-pahantrana
Sarotra ialàna
Tsy ho ela dia ho fefika ilay tanàna
Mitombo toerana isan'andro izao ny Kat' mi
Mampanjelatra masoandro ireo trano fatim-by
Mirongatra etsy sy eroa, maniry toy ny anana
Mivangongo ao avokoa rahefa mety tsy fananana
Ny hoanina amin' izany tsy misy tokontaniny
Be ireo zaza fanipanina tsy misy ny hoanina
Fa eny andavadava-pako
No miady mifandako
Hamenoina ilay vavony
Tsy mety tony
Noana lava tsy ampy saosy
Ka mangaro-paosy
Mipetraka ho ahy sy ho anao
Io no zava-misy
Havako io havanao
Tsy vitan'ny indrisy
Hiangaran'ny fiainana sy ny vintana
Tapi-dàlan-kitarainana
Toa trondro azom-pintana
Inona ary hoy ianao ny vaha-olana maharitra?
Ahatonga azy ireo mba ho olona finaritra
Manana asa hivelomana
Mba tsy hitoka-monina
Hanjary ho olom-baovao
Manan-katao
Manan-jo, manan-tsafidy
Mba tsy ho voavidy
Gasy ray, gasy reny
Izy ireny
Gasy ray, gasy reny
Izy ireny
Негізгі бет Kat'mi - Mahaleo (Raoul)
Пікірлер