Fony mbola zaza aho
Dia notoloranao ny soa
Fitiavana sy finiavana
Hidera anao tokoa
Tsy voasarika am'izao
Fiainana mandalo eto izao
Misaotra Ray, misaotra Anao
Mbola miaro hatram'izao
Koa asandratro ny feoko
Izao anio izao
Ho ren'izao tontolo izao
Ny fiderako Anao
Tsy hiova na hivadika
Fa hanompo Anao hatrany
Izany no mba faniriako
Mandra-pialako eto an-tany
Maro ireo adalàna
Ditraditra hatrizay
'Zay nanakana ahy tokoa
Tsy hiantso Anao ry Ray
Nandritra izay fotoana izay
Nahatsiaro aho fa tena irery
Kanjo indro ianao
Namonjy ahy
Ary mbola nampahery
Koa angatahiko ry Ray
Ny ho eo ambany elatrao
Ho arovanao hatrany aho
Ka tsy hahafoy Anao
Tsy ho dimy taona ihany
Fa hitohy mandrakizay
Ny fitahiana avy Aminao
Hitoetra ao aminay
Koa asandratro ny feoko....
Негізгі бет Ny faniriako - Stellah
Пікірлер