Jomak'Ampama
Ampitapitao
(ny hazo midoroboka)
Ie...Ie...Ie...
(sasi-tehaka)
Ampitapitao
Amin' ny namako any
Ataovy mazava
Amin' ny namako any
Fa ny vahoaka
No tompony.
Ampitapitao any
Izany no ilaina
Ataovy mazava,
Aleo tonga saina
Fa isika vahoaka
Tsy misy mitsaoka
Ampitapitao
Amin' ny namako any
Ataovy mazava
Amin' ny namako any
Fa ny basy mipoaka
Ampanginana rariny
Basy tsy an-tanan'
Ny vahoaka
Satria miaramila
Mitana basy
Dia ny vahoaka
No nipoirany.
Ampitapitao
Amin' ny namako any
Ataovy mazava
Amin' ny namako any
Fa ny tany no efitra
Na karakaina
Tany tsy an-tanan'
Ny vahoaka
Satria ny tantsaha
Milanja angady
Dia ny vahoaka
No nipoirany
An' iza ny basy?
Ampitapitao
Amin' ny namako any
Ataovy mazava
Amin' ny namako any
Fa ny tetika maizina
Be adin-tseza
Paika tsy telin'
Ny vahoaka
Satria ny marina
No hajoro
Dia ny vahoaka
Hitolona
An' iza ny basy?
Ampitapitao
Amin' ny namako any
Ataovy mazava
Amin' ny namako any
Fa ny vola no lasa
Fandrebirebena
Vola tsy miantoka
Fitondrana
Satria fanjakana
No manam-bola
Dia ny vahoaka
No miantoka.
An' iza ny basy ?
An' iza ny basy ?
An' iza ny angady ?
An' iza ny saina ?
An' iza ny vola ?
An' iza ny tany ?
An' iza ny sandry ?
Antsiak daholo,
Daholo, daholo,
Ie...Ie...Ie...
Ampitapitao
Any namako a !
Ataovy mazava
Any namako a!
Fa ny vahoaka
No tompony
Tsy maintsy mandresy ny tompony
Satria ny vahoaka
No tompony
Tsy maintsy mandresy
Ny tolony
tsi
Негізгі бет Ny Hazo Midoroboka - Ampitapitao
Пікірлер: 1