Raha nandinika ny fiainako taloha aho
Ka ampitahaiko amin'ny ankehitriny,
Dia samy hafa betsaka, ny taloha dia nandreraka.
Nataoko avokoa ireo fomba fanao
Ny fomban'izao tontolo izao
Natao ny nentin-drazana, dia avy eo indray mivavaka
Tsy fantatro akory fa lasa ny olona, dia lasa koa aho nandeha
Hay ra tohizana tohizana ilay làlana, mankany @ afobe!
Amboary aho Jeso
Ka mamelà ny heloko Ianao
Amboary aho Jeso
Amboary ny fiainako
Amboary aho Jeso
Rakofy Ilay Fanahy Masinao hatrany
Amboary aho Jeso
Mba ho toy ny Fiainanao ny fiainako
Efa tsy nahasoa ahy ny rehak'izao tontolo izao
Tsy nahitako fahasambarana e
Ka tapak'hevitra ho Anao
Izay kely ananako no entiko hanaradia
Efa làlana nandratra izao tontolo izao
Tantano aho Jeso Kristy
Ny fanjakana ara-nofo ety an-tany
Manao izao fombafomba rehetr'izao
Migoka, mifoka, miloka
Mankafia ny haren'ny tany
Ny Fanjakan'ny Fanahy ery ankilany
Mamiratra fatratr'ery
Misafidy ianao raha te-hiampita
Ny tetezana tsy maintsy vita
Ny tetezana ilaina anefa tsy misy fa ilay tenanao ihany
Meteza aloha hibaboka, ny ota hadaraboka
Dia hotafita ianao
Amboary aho Jeso...
Негізгі бет Safidy - SLKAT
Пікірлер: 11