🎼Raisiko ho ahy - Mahaleo 🎶 Raisiko ho ahy ny hadisoana Izaho indray no hifona Nefa aok'izay f'aza avela hilona ataovy heloka hibaboana. Aoka hatao hoe ahy ny tsiny nahatonga iny ady iny ka mba mangata-pamelana aza ivindavindana. Ao re lala oh fa mifona nanao teny tsy tsaroana mitsikia,mangina moa mitsikia aloha etsy hotoniako ny fo. Raha toa aho manetry tena sanatria tsy fahalemena fa raha toa samy sorena tsy afaka idinika am-pahendrena raha mitady filaminana aza asetrinao fahanginana aza mikotrika valifaty fa avoay ny ao anaty. Sao dia tezitra aho ny hiafarany farany io havelako any tombontsoa.... Ho an'iza moa? Iza no ho voa? Tsisy afa-tsy isika roa. Tezitr'ianao, tezitra foana tsy hay intsony hoe nahoana mimonjotra toa trondro moana ny tambitambiko zava-poana inona moa ilay nampiady teo? Toa tsy tsaroako akory izay niseho fa erikerika lasa tondra-drano ady kely lasa angano. Toa izay no fiandohany ady kely tsy voavaha toa izany no mitombo, lasa atambo mampisara-droa ny olona mifankatoa.
@Just___Louane
5 жыл бұрын
ndri generation nifandimby tia anareo ry mahaleo nanomboka tamin'ny Ray aman dreninay , ny zanakay mbola zazakely koa dia efa mankafy indray ankehitriny mankasitraka mandria am piadanana Dadah sy ny namana efa lasa.
@fanjaly1239
4 жыл бұрын
Dadah...mbola hiaona isika e. Andraso any izahay. Any an-danitra any!
@nirinaramangasalama5868
Жыл бұрын
Olon- droa mifankato. :-)
@dikatsotra3487
5 жыл бұрын
Malahelo ny fo nilaozanao Dadah ah! marina eh!
@iscoalarcon8667
3 жыл бұрын
vao henoko anie tamin'ny onjam-peo dia nanganoano ahy... tsara loatra
@fararavololomisa9760
7 жыл бұрын
henoina de ankafizina de hiraina
@Jackie.Liberge.gmailfrJackieli
2 ай бұрын
❤❤❤❤❤
@ulricherico4663
Жыл бұрын
🥰
@joseraza8597
6 жыл бұрын
Nisy version an'ity anakiray izay tena tsy mety hitako intsony. Tsara koa ity ka.
@RaissaJulie-w3s
2 ай бұрын
Deadassa
@christinajarrysanson279
Жыл бұрын
Tiako foana mintsy
@nadyarazanakolona7950
4 жыл бұрын
❤️😭😭
@nirinaramangasalama5868
Жыл бұрын
Fanetre-tena fa tsy fahalemena. Fifonana. Tsiky @ izay. Tsara e. Mankasitraka nizara :-)
Пікірлер: 22