Lyrics : Tadidindry ve ilay finamantsika fony fahiny,
Nitondra zava-dehibe ka nisy akony ankehitriny,
Nanjary tafara-dalana, tsy nifankafoy,
Ny tantara tsy misy fiafarana, mandrakizay hitohy.
Tampoka teo nitovy ny tadin-dokanga ka nifanaraka,
Hoe 'ndao hiaraka hameno ny banga, sanatria ny hisaraka,
Dia niaraka nandeha, dia niaraka namindra,
Dia nifampatoky eh, na mamy na mangidy.
Réf: Ny fitiavantsika malala dia sanatria ratsy fiafara fa,
Mifanohana dia miara-tafa,
Hiaraka hanorina hakanim-pitia, isika sy ndrie,
Ny handao anao aloha dia sanatria.
Fa efa fantatro, efa tsapako, f'ianao no anjara,
Fa ny tonom-bavako no no nivaly,
Ka misaotra anao 'Ray
Satria nomenao ilay tena sy mendrika,
Manohana ahy amin'ny lalana tsara tsy ho rendrika.
Réf: Ny fitiavantsika malala ho ankinintsika amin'ny avo
Dia mifanohantohan-tsy ho lavo,
F'Izy no ohatra lehibe indrindra amin'ny Fitia,
Tsika tsy hisaraka aminy ho Doria.
Негізгі бет Tanjona Randrianarivelo - Tiako (audio officiel)
Пікірлер