FITIAVANA TSY MATY
Tantaran'i Radio Don Bosco
Tantara indray miseho
Tantara Malagasy
Fianakaviana tsotra no misy an'i Vero sy Tina. Niady hevitra ny fomba hanatsarana ny fanabeazana ny zanak'izy ireo i Rasoa sy Randria. Nandresy lahatra an'iireo zanany roa vavy i Rasoa reniny mba tsy hanafina izay olana misy eo amin'ny fianan'izy ireo, na ny fandaharam-potoana any an-dakilasy fotsiny aza. 20 taona taty aoriana dia nifankahita indray i Tovo sy Rasoa izay vadin'i André. Mpinamana akaiky hatramin'ny mbola kely i André, Tovo ary i Rasoa. Nitamberina tsikelikely ny zava-nisy, indrindra ireo fiainam-pitiavana tamin'ny fahatanoràna satria nifankatia i Rasoa sy Tovo...
I Ando na i Ratovoson dia nifanakaiky am-po kokoa tamin'ny Nivo na Lucie ilay atao hoe Rasoa, efa nisy fotoana nifampitory fitia, ary Faly zokin'i Nivo no vavolombelon'ny fifaneken'izy roa. Nandeha nandrato fianarana tany ivelany i Ando, ary izay no antony nisarahan'izy roa, taona vitsivitsy. Nanomboka tamin'io fotoana io no nanararaotra nandrehitra ny afom-pitiavany an'i Nivo i André. Niezaka nanome hafaliana an'i Nivo i André, nitohy hatrany ny fandehanana mijery horonan-tsary sy mitsangatsangana, nanaiky ny fiarahan'i André sy Nivo araka ny zava-nisy i Faly. Nitombo tsikelikely ny fifankatiavana nisy teo amin'i André sy i Nivo. Niteraka korontana teo amin'ny tokan-tranon'i André sy Nivo ny fahatongavan'i Tovo, 20 taona taty aoriana, izay narahana fanomezana hafahafa. Maty i André ary nihaona i Tovo sy Nivo, taty aoriana, nanazava ny anton'ny tsy nitohizan'ny fifandraisana teo amin'izy roa.
Mpanoratra : Randriamampianina Harilala Léa -RHL
Mpilalao : Rakoto, Faly, Synèse, Ony Mihajanirina, Sandrinà, Miora Fabienne, Hary
Nandray feo : Tovo Razanamamonjy
Mpanatontosa : Holisoa
#tantara
#fitiavanatsymaty
#sarymihetsika
Негізгі бет Tantara Malagasy - FITIAVANA TSY MATY (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho
Пікірлер: 3