HATSARANA ANATY
Tantaran'i Radio Don Bosco
Tantara indray miseho
Tantara Malagasy
Mpanoratra tononkalo miavaka kely i Nofy. Nahaliana tanteraka an'i Rado ny tononkalo nosoratan'i Nofy, ary ilay amboara tononkalo mirakitra ilay hoe "Hatsarana miafina" no tena nasarika azy. Rehefa nifanazava ny fahazoana ny voarakitra tao anaty asa-soratra izy roa dia nanao ireto fanamarihana ireto hoe : miresaka ny fahorian'ny mpanoratra ilay tononkalo, fitaovana afahan'ny mpamaky sy mpanoratra mitafa, andinin-tsoratra mampitraka raha sendra ady sarotra...
Nangataka ny hitazona ilay boky amboara tononkalo i Rado saingy tsy nanome azy fahafahana hianoka izay voarakitra tao anatin'ireo asa-soratra, hafa-tsy roa volana monja. Ny endrik'ilay boky dia efa manambara ny fijalian'ilay mpanoratra : mifono manga, "Sahan'ny nofy" no loha-teny lehibe izay miloko mena eo ivelany ; tovovavy mitomany manoloana ny masoandro madiva hilentika no sary nosafidian'ny mpanoratra eo ambanin'ilay loha-teny. Mpinamana i Rija sy Rado ary nifampizara ny fihentanam-po tsapa haterak'ilay famakiana boky.
Mpanoratra : Andriamaholinirina Franck Jean Jeacquis na Ventson'ny Voahary
Mpilalao : Faly, Synèse, Vanintsoa, Antsa-Ravaka
Nandray feo sy nanatontosa : Tovo Razanamamonjy
Негізгі бет Tantara Malagasy - HATSARANA ANATY (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho
Пікірлер: 4