Tena mangoritsina nama mijery sy mihaino ilay izy e! Miaraka am le siokan'ny spect misolo ny sodin'i Bekoto. Tena fitia tsisy fetra le fiarahana tam tarika mahaleo e.
@mathieurandrianantoandro757
4 жыл бұрын
Jamba Jamba aho eny jamba, nilaozan' hazavana, Ao anaty haizim-pito aho, haizina tsy azo ialana. Loko tokana ihany, no mba navela ho ahy, Dia ny maintimanty izany, tsy misy ny ankoatr'izay. Nefa rahavako aminao no hiara-dia, Ka navelanao ho tazako ny lokon'ny fitia. Nefa rahavako aminao no hiara-dia, Ka navelanao ho tazako ny lokon'ny fitia. Moana aho eny moana, tsy mba navela hiteny. Raha te hiresaka aminao, ny tanana no ahetsiketsiko eny. Soa fa misy tanana aza, azo asoloko ny vavako, Mba ahafahako milaza fa anao ny fitiavako. Tsiky eny tsiky, no nasetrinao izany. Tsy navelanao ho kivy aho raha mbola anilanao ihany. Tsiky eny tsiky, no nasetrinao izany. Tsy navelanao ho kivy aho raha mbola anilanao ihany. Malemy aho, eny malemy, tsy afaka hijoro akory. Enta-mavesatra ho anao, hahatonga sorisory. Fiantrana fotsiny ihany, no mahatonga anao ho eo. F'izay any am-ponao any, mandratra ka tsy tianao aseho. Nofihininao ny tanako, ka hoy ianao hoe mangina. Fa ny andro sisa iainako, natokako ho anao ry tiana. Nofihininao ny tanako, ka hoy ianao hoe mangina. Ny ranomaso naneniky ny tavako, ranomasom-pifaliana. N'inona voina mety hitranga, tsy zanaky ny hafa ianao. Ny voahary tsy tia banga, hisy hitoetra eo anilanao. Ny jamba hisy hitantana, ny moana hisy handre. Ny tsy salama vatana, hisy hampianatra handeha. Ny jamba hisy hitantana, ny moana hisy handre. Ny tsy salama vatana, hisy hampianatra handeha. Ny jamba hisy hitantana, ny moana hisy handre. Ny tsy salama vatana, hisy hampianatra handeha.
@mankalazatsiry4539
3 жыл бұрын
Hira tena tsara
@ranjaandriatsianarinaranja1548
7 жыл бұрын
fa ny andro sisa hiainako natokako anao ry tiana 💓
Пікірлер: 7