Fiadanan'Ny Tompo ho aminao, 🙏
Faly tafaresaka aminao indray aho amin'ity maraina ity. 😊
#MiakàraAtỳ
Ity no projet-nay vaovao: Fitarihana anao anaty fiankohofana lalina 🎶
Jaona 4:23
Fa avy ny andro, SADY TONGA ANKEHITRINY, raha ny TENA MPIANKOHOKA hiankohoka amin'ny Ray amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny MPIANKOHOKA Aminy ho tahaka izany. (Dikanteny nahitsy - Priscilla) 🙏🕊️
Voalohany izy ity àry tena tsapa tokoa ny fanatrehan'Andriamanitra. Antenaiko fa hiaina izany izay rehetra hampiasa azy ity.
Hetaheta no nitarika ity hetsika ity, ary nitondra vokatra. Hetahetanareo teto amin'ny pejy :) ary nifanandrify tamin'ny vesatraka napetraky Ny Raintsika tato anatiko.
Fotoanan'ny fiankohofana marina izao, mitady mpiankohoka marina Andriamanitra. Mpiakohoka amiNy amin'ny Fanahy sy Fahamarinana.
Fanatitra ho an'Andriamanitra izy ity fa atolotray ho an'ny vatan'i Kristy manontolo izy ity ho fitahiana ho azy.
Natao ity hanampy ireo te hanana fifandraisana lalina amin'Andriamanitra,🧎🙏 fotoana fitokanam-bavaka, 🧎🧎fotoana fiankohofana, 🎧fotoana hihainoana an'Andriamanitra, 🌿 fotoana famelombelomana ny aina sy fanahy, atmosfera handraisanana fanasitranana 🌿, famelomana indray ny afo efa maty 😌...
✅Azonareo ampiasaina malalaka 🚫(tsy adika, na avoaka amin'ny plateforme na kaonty hafa tompoko).🚫
Azonareo alaina ampiasaina ao an-trano (na ianao irery na ny ankohonanao), any am-piangonana, mandritra ny fotoanan'ny intercession (vavaka fanelanelanana)... Izay hitarihan'ny Fanahy anareo. Azonao ampiasaina na maraina na atoandro na hariva 🌅
Fa ny azoko antoka dia hanisy soa anao, hanisy soa ny FiangonaNy Izy.🌅
PS: zarao amiko ny zavatra iainanao rehefa mampiasa ity ianao fa te handre ireo zava-mahagaga ataon'Andriamanitra izahay hankalazanay Azy.
Ao amin'ny commentaire ny tononkira
Abonnez-vous: / worshipassion
#MiakàraAtỳ #FiankohofanaLalina #PriscillaWorshiper #FanahySyFahamarinana
Rohy KZitem: • Miakàra atỳ #1 - Fiank...
Негізгі бет Музыка Miakàra atỳ #1 - Fiankohofana 30 min - Priscilla
Пікірлер: 7