Ny Vola RABENAIVO Charles Alatsinainy-bakaro, Madagasikara, Madagascar.
/ @alatsinainybakaro
Rajaonarison Charles.
Hita amin'ny fononon'ny Kapila nivoaka 1978 ny sarin'ny Rabenaivo Charles , ny zanany mirahavavy Saholy sy Landy ary mpihira 3 mirahavavy.
Anisan'ny mpihira tao amin'ny tarika ny tovovavy tamin'ny fotoana : Vero, Bà, Elisoa ...taty aoriandriana ireo zanany telo mirahavavy Vola Landy, Noro, niampy ireo zafiny sy ireo tovovavy manantalenta maro avy eo antanana sy ny manodidina.
Tao koa ireo mpanantantenta tovolahy avy eny Ambohidavenona sy avy eny atsimon'Alatsinainy Bakaro.Teo amin'ny zavamaneno dia teo ireo zanany lahy toa an'i Doda, Ndranto. Notohizan-dry Rado ...sy ireo solofo mpandimby rehetra taty aoriana.
Ny trano voalohany amin'ny sary dia ny tranon'i Rabenaivo Charles ao antsinan-tsena (tsena teo aloha) Alatsinainy Bakaro.
Atsipy ny tady ry lahy an-tandroky ny omby izy ireny
Atsipy ny teny reroy antsain'ireo mahalala
Tadiavo ny vola rahavako
Fa izy no tena ilaina
Fa na inon'inon-katao
Ny vola no fototry ny aina
Ny manam-bola raha maty
Dia maro mpandevina
Ny malahelo raha maty
Sao areti-mifindra
Raha velon'aina dia mahatsiaro anao ny olombelona
Ny manambola dia sambatra e mandroso hatrany ny asany
Ny tsy manam-bola tsy maintsy tsy maintsy manompo ny sasany
Ny manam-bola e, raha mandeha
Alaina sy aterina izy.
Ny tsy manam-bola hankaiza mandeha an-tongotra eny ny ankizy.
Tadiavo ny vola rahavako o samia re manao anjolofo
Fa izy dia tena ilaina raha mbola nofo ny nofo.
Ny manam-bola tazano
Mitazana anie dia mividy
Ny tsy manam-bola hankaiza
Ny vazana re no mihidy
Fa na mpivavaka ianao na mpanompo sampy
Tsy maintsy mila an-dravola mba ho mpanampy
Fa na inon'inon-katao tsy vita raha tsisy ny vola.
Ny manam-bola indreny lasa manohy ny fianarany
Ny tsy manam-bola hankaiza vita hatreo ny tantarany
Ny manam-bola tazano
Fa rotsirotsin'ny fiara
Ny tsy manam-bola indrisy
Mandeha an-tongotra eny ka tara
Fa na mpivavaka ianao na mpanompo sampy
Tsy maintsy mila an-dravola mba ho mpanampy
Fa na inon'inon-katao tsy vita raha tsisy ny vola.
Ny manam-bola indreny lasa manohy ny fianarany
Ny tsy manam-bola hankaiza vita hatreo ny tantarany
Ny manam-bola tazano e
Fa rotsirotsin'ny fiara
Ny tsy manam-bola indrisy
Mandeha an-tongotra eny ka tara
Ny sary mandravaka dia avy amin'ny M.Gerull nalaina tamin'ny fiandohan'ny taona 2000.
Негізгі бет Ny Vola (RABENAIVO Charles) - Alatsinainy Bakaro -
Пікірлер: 22