Misaotra betsaka ,fa tena mahatonga saina ny tantara izay tokony ho hain'ny malagasy tsy vaky volo.... Mankasitraka e... Mamiko loatra ny taniko ka tsy foiko omeko olon-kafa...
@huguetterasoamananoro3099
3 жыл бұрын
Misaotra betsaka. Mila averimberina ny tantara mba ho tsarovan ny tanora lalandava satria ao no maha olombelona manana by maha Izy antsika sady sy resy . Misaotra indrindra tompoko. Fa maha velompanatenana .😇💗
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Avereno amin’ny Malagasy ny hajany ! Ny teny maleziana : « surat chabar jang dalam bahasa Melaju itu bukan sadja untuk orang2 jang waktu ini tinggal di Singapura, tetapi kami harap djuga supaja ia akan dibatja oleh penduduk di tanah Indonesia » dia tsy azon’ny Malagasy na dia lazaina aza fa avy tamin’io toerana io izy. Izao no dikan’io tatitra voalaza eo ambony io : « Ity gazety ity izay voasoratra amin’ny teny maleziana dia tsy natokana ho an’ny olona izay mipetraka eto Singapur irery ihany amin’izao fotoana izao, kanefa mino izahay fa mba hovakin’ny olona izay mipetraka ao Indonezia koa ». Io lahatsoratra io manambara fa mitovy ny teny any Malezia sy any Indonezia, any Borneo, any Sumatra, any Java, any Solawesi (Célèbes), any Flores; izany hoe any Madjhapahit iray manontolo. Misy fahatsiarovana ny hetsika sy ny tranga maro ao anaty Baiboly ny teny malagasy. Tamin’ny taona 2156TJK no teraka tao Oran’i Kaldea i Abram (Avram amin’ny teny hebreo). Tanàna Someriana i Ora ary tsy fantatra ny mponina tao. Ny zavatra azo tsapain-tanana araka ny fikarohana matotra dia tsy fotsy hoditra izy ireo. Ny malatra hoe Ora dia hazavana avy tamin’ny afo nampiretina. Nodorana ny tanety tamin’izany mba ahazoana toerana hanorenana tanàna. Hita ao anatin’ny teny malagasy io malatra io : “doro” “ doro-tanety”. Tanàna lehibe sady arifomba i Ora, tao no nahitana ny trano nifanongoa “ziggurat” avy tamin’ny malatra hoe “zagur””tsagur”, io no nahatonga ny teny hoe “tsangory”: mifanongoa.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Kabary no nifandraisan’ny mponina sy ny mpitondra tao amin’io tanàna io ary mitovy amin’ny dika-teny hoe kabary amin’ny teny malagasy. Io malatra io no nentin’ny Zanak’Israely malagasy tany Mahdjapahit ka mbola ampiasainy hatramin’izao izay hita ao amin’ny fiarahabany “apa chabar” (kabar): inona no vaovao? “vaovao” no fiheveran’ny Maleziana ny kabary. Nony voaroaka tany Asyria tamin’ny taona 722 TJK ny Zanak’Israely dia naka volo-tany tany. Voatery izy ireo hampiasa ny teny sy soratra asyriana toy ny tany Egypta sy toy ny tany Babylona “ary ny mpanjaka nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ny Zanak’Israely….. hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka, sady nasainy nampianarina ny soratra sy ny tenin’ny Kaldeana”; soratra izay mitondra ny anaran’io firenena io : Assur
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Kabary no nifandraisan’ny mponina sy ny mpitondra tao amin’io tanàna io ary mitovy amin’ny dika-teny hoe kabary amin’ny teny malagasy. Io malatra io no nentin’ny Zanak’Israely malagasy tany Mahdjapahit ka mbola ampiasainy hatramin’izao izay hita ao amin’ny fiarahabany “apa chabar” (kabar): inona no vaovao? “vaovao” no fiheveran’ny Maleziana ny kabary. Nony voaroaka tany Asyria tamin’ny taona 722 TJK ny Zanak’Israely dia naka volo-tany tany. Voatery izy ireo hampiasa ny teny sy soratra asyriana toy ny tany Egypta sy toy ny tany Babylona “ary ny mpanjaka nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ny Zanak’Israely….. hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka, sady nasainy nampianarina ny soratra sy ny tenin’ny Kaldeana”; soratra izay mitondra ny anaran’io firenena io : Assur
@benaibary2369
4 жыл бұрын
“Assurat” ny fomba fanoratany. Nesorin’ny Zanak’Israely ny “A” tamin’io malatra io ka nanome “surat” tovanany “-na” dia lasa “surat-na”: soratana.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Ny tsy fisian’ny fiisika ao amin’ny olona serena no mahatonga fahasorenana ary ny fanohizana kajy amin’ny fankina tampina no miteraka fahasamponana. Toy ny menaka mangotraka feno hena matavy anaty vilany ny Malagasy nefa tsy misy soro-by na havina andoharana azy. Tsy mifanafosafo toy ny kijejy ao amin’ny ahi-palana ny Malagasy fa tsipa-drahalahy no ataony. Aleo hitsy roa marenina tsy mifandray tendro toy izay zevon-onja mifanohi-dalana. Na dia nonina tany Madjapahit aza ny Malagasy fahiny dia tsy nifandray tamin’ny vahoaka nivahininy, tsy nifandray tamin’ny tompon-tany, fa firenena mitoka-monina hatrany izy ireo ary natao izany izy. « Fa eto an-tampon’ny havoana no ahitako azy, indro firenena mitoka-monina izy ary tsy hatao ho isan’ny jentilisa » : (Nomery 23 :9). Na dia samy miompy biby mitovy aza ny Malagasy sy ny Indoneziana dia samy hafa no hilazany ireo biby fiompy ireo. « Kambing » no ilazan’ny Maleziana ny osy, ary ny teny hoe osy dia teny asyriana fony ny Zanak’Israely nandalo tany amin’io toerana io (722-612). Arahana fehezan-teny io malatra
@SALASLIZTM
2 жыл бұрын
Nahoana no nofafana ilay horonantsary momba ny RANAVALONA I ?
@jeanrasilipo6791
9 ай бұрын
nahazo bailouts...
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Soratra asyriana no dikany; soritana amin’ny teny gasy dia manao tsipika, izany indrindra no fomba fanoratra tany Asyria tamin’ny andro fahagola. Ny fitambaran’ireo teny roa ireo no nahatonga ny teny hoe “surat chabar”: gazety. Navadikiny Galliénien ny tantara araka ny toro-hevitry ny mpanjan-tany ka ny Malagasy indray no nolazainy fa naka ny teny maleziana-indoneziana. Aoka izay ny famahanan-dalitra ny vahoaka, lazao ny marina ary aoka izay mahavita azy hijoro hanohitra ny lainga nafafin’ny mpanjanan-tany. Avereno amin’ny Malagasy ny hajany ! -mbola hitohy-
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Ireo voalazako ireo dia fampidirana ihany fa mbola hitohy ka hifandray @ io loha-hevitra voaboasinareo io koa samia tia sy hanana fandinihana sy fo tony eo ampandinihana ny tantarantsika,aza miala @ fahendrena sy ny fifanajana eo ampiadiana hevitra,alaviro ny fahatezerana tsy voafehy tsy @n'ny antony.
@tianarahaga9576
4 жыл бұрын
Votsa fitenenana izy mianadahy "presentateurs". Toa badabada fitenenana.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Ny fahafantarana ny tantara no hampiverina ny fitiavana samy Malagasy sy mba hananantsika risim-po hampandroso ny tanindrazana.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Tantara anie no resahantsika eto koa dia araho tsara ny zava-boalaza namana Tiana Rahaga fa izaho mamaky sy mihaino izay ambaranao no manolotra fanajana ho anao sy ny namana mpisehatra rehetra.Misaotra anao @ zavatra rehetra sy @ izay mbola ho ataonao.
@mrevsi3776
7 ай бұрын
ny frantsay no nanimba ity firenena ity... tongava saina ry Malagasy
@nosylonjo
4 жыл бұрын
Qualité d'image, qualité audio et de contenu médiocrité ! C'est Décevant !
@stellaasterix7655
3 жыл бұрын
Bonjour! Est ce que quelqu'un pourrait s'il vous plait traduire un resume en Francais de ce qui ce dit? Misaotra Betsaka :-)
@SALASLIZTM
2 жыл бұрын
Vao omaly aho no nijery, dia androany oe nofafanareo ilay izy 😳😥
@thomascook213n
4 жыл бұрын
Mba tsidio ny site web AMONTANA &AVIAVY Family tree!!
@anjarasoatavandra3700
2 жыл бұрын
mpanjaka ny merina fa tsy mpanjaka ny madagascar
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Zà tsy miteny hoe ratsy ny hova a!fa mba Hova ny tenako,fa kosa misy rafitra ny fitondrana ny tany,indrindra fa eto Antananarivo,ny Hova-lahy lalintsasina indrindra sy manam-pahendrena sy fahalalana dia i HAGAMAINTY sy ny namany,sambatra i Andrianampoinimerina sy ny vahoakan'Ananalamanga sy Ant/vo 6 toko nanana azy.Fa ny tany dia natao hotantanan'Andriana ary ny Hova dia mpifehy miaraka aminy ihany @ raharaham-panjakana(raha tarafina @ izao Repoblika izao ohatra t@ fitondran'Atoa RATSIRAKA dia ny Arema no mpitondra ary ny Lider Fanilo no technicienne tany @ Minisitera rehetra tany)Koa AVERENO @ ANDRIANA NY FITONDRANA FA IZAY IHANY NO LA CLE.Ary avereno ny hasin-tsika isam-poko isam-paritra.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Amin’ny teny Indoneziana: “orang2 penduduk di Yuan Dong makan anjing, tetapi Malagassi ini makan nasi”. Mahita tsara izao ny masonao fa tsy misy itovizany mihitsy ny teny malagasy sy ny teny indoneziana; na ny fombany aza dia tsy mitovy, tsy misy Malagasy mihinana alika. Ankoatra izany dia maro ny anaram-biby izay tsy fantatry ny Malagasy intsony kanefa mbola tafajanona amin’ny fiteniny ny fahatsiarovana ireo biby ireo. “Misosa ny fiaranao, mandeha mafy ny fiaranao” avy amin’ny foto-teny hoe “sosa””sus”
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Mihidy ao anaty kàrana ny Malagasy sy ny tantarany ary efa tsy hita intsony ny mafitehatr’io kàrana io (tsy vakina hoe karàna fa tsy misy idiran’ny Karàna io), nosoketain’ny vazaha mpanjanan-tany ka mihitsoka ao isika mandrak’androany. Ny ahafantarana antsika sisa dia ny fitenintsika sy ny fombantsika izay ho velabelarina an-tsipirihany ary ho ela ela eto amin’ity sehatra ity atsy ho atsy. Namokatra teny vaovao ho azy ny toerana nivahinin’ny Zanak’Israely nanomboka tany amin’i Oran’i Kaldeana ka hatrany Asyria. Mazava ho azy fa tsy azo adinoina koa ny nandalovany tany Egypta sy ny niverenany tany Israely. Ny nahatonga azy teto Madagasikara dia ny tsy finoany an’i Andriamanitry ny razany, (Isaia 42 :4) ary nivaro-tena tamin’ny fanompoan-tsampy sy ny sikidy ka nahatezitra an’YHWH(Jehovah). « Ary ny Zanak’Israely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an’i YHWH Andriamaniny….. fa nanompo sampy , izay nandraran’i YHWH(Jehova:soratra Mosesy) azy hoe : Aza manao izany zavatra izany hianareo » : (II Mpanjaka 17 :9).
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Roa ambiny folo ny volana hebreo ary roa ambiny folo koa ny vadin’i JAKOBA, Efatra ny renin’i Israely (jereo ery ambany). Famelabelarana mikasika ny Ray: Teny hebreo ny “Rai” ary avy aminy no nihavian’ny taranaka: - Rai : - 1-Zanaka - 2-Zafikely - 3-Zafiafy - 4-Zafindohalika - 5-Zafikitrokely - 6-Zafipaladia - 7-Zafy Doria Dia lasa Ray indray ny Zafy Doria, dia toy izany hatrany. Izany no nahatonga ny hoe “doria doria”: “dor dorim” Famelabelarana mikasika ny Reny: Malatra egyptiana ny Reny : “Ren”, izao no fanoratana azy. Iray reny fihaviana ny Zanak’Israely, Sarah, ao anatin’ny reny iray. “Fi”: ao anatiny, “reny”: ren, “-na”: tovana asyriana : fi-ren-(e)-na. Reny efatra no mitazona ny tranon’i Jakoba. “Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i YHWH, ho any an-tranon’i Andriamanitr’i Jakoba”:(Isaia 2:3) Reny iray isaky ny rindrina.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Eto Madagasikara ny fahatsiarovana an’i Jakoba. Feno vato natsangana eran’i Madagasikara. Izay toerana nandalovan’ny Malagasy dia nametrahany vato ho fahatsiarovana io teorana io sy ny zavatra natao tao : Ambatondrazaka, toerana nandalovan-dRazaka ka nametrahany vato ho fahatsiarovana; Ambato Boeny (Boina), Ambatofinandrahana, Ambatolahikisoa, Ambatonakanga, Ambatomitsangana, sns. Izay tsy mahafantatra ny Torah dia tsy mahalala ny fihavian’io fomba io. Nony nandalo tao Jordana (Yarden) i Josoa sy ny Zanak’Israely dia nandidy azy YHWH Andriamanitry ny Hebreo hanangana vato ho fahatsiarovana ny niampitana io renirano io. “Dia nanao izany ny Zanak’Israely arak’izay nandidian’i Josoa ka naka vato 12 teo afovoan’i Jordana, araka izay nolazain’YHWH tamin’i Josoa, araka ny isan’ny firenen’ny Zanak’Israely, ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin’izay nitobiany ka napetrany teo. Ary vato roa ambiny folo no natsangan’i Josoa teo Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandrak’androany”: (Josoa 4:8,9). I Jakoba zanak’i ItsHak no niavian’io fomba io toy izao tatitra izao: “Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorona azy ho tsangam-bato, dia nampidina menaka teo aminy. Ary ny anaran’izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna tany aloha”: (Genesisy 28:18,19)”. Hatramin’izao dia mbola hita ao amin’ny fomba fanao malagasy ny vato atsangana sy ny fanosorana menaka azy. Fanompoan-tsampy no nitsaran’ny olona taty aoriana io fomba hebreo io. Ary ny teny hoe Bet-El : tranon’Andriamanitra, dia lasa Vat-Ellah, fanononana kaldeana.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Misy tanana mahery tao amin’ny Zanak’Israely Malagasy nandrara ny vahoakany mba tsy hifanerasera amin’ny tompon-tany ka voatazona noho izany ny fiteniny ny fombany sy ny toetrany. Tsy ny volo-koditra na ny fitondrana salaka akory no ilazana fa Indoneziana ny Malagasy. Tsy fantatrareo angaha fa somary mainty ny tena Indoneziana fa efa “métis”-sinoa (zanamalata) ireny hitanareo ireny. Avoahy gazety ny porofonareo galliènien fa aza any ambadika any no mingoningonina! Aza terena toy izany ny saina! Efa zavatra tsy mety izao dia mbola iziriziriana ihany.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Ny malatra hoe “kary” dia avy amin’ny teny anankiroa :”ka”: “ohatran’ny”, “ari”: “liona”; “kaary”:”ohatran’ny liona”.
@elisearthemise6734
Жыл бұрын
Tena feno fisaorana lehibe ho anareo rehetra nijara n'y tantara mifono n'y firenena malagasy 🙏🙏🙏🙏🙏🌹🌹🌹🌹🌹 misaotra betsaka tompoko
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Fampantsiahivana kely fotsiny fa tena nisy tokoa ireo Gasy mpamadika(Rasanjy sy ny namany ohatra)ka nanoro ny zava-miafina rehetra teto @ntsika ka nahatonga antsika(notambazana miss frantsay,vola,harena,fahefana...) ho nibanaka ka nahafahan'ireo vazaha be tsy mifora ireo ho nanana fahefana t@ntsika izay zavatra tokony tsy hitranga mihintsy,raha tokony ho izy mantsy dia isika no tokony mpanapaka ireo ary mpampiasa ireo nefa nifamadika ny @ izany no mitranga izao satria tsy misy hasiny intsony isika no voaota-fady ny tany.Mila maerina ny hasina sy ny hajantsika isika ary tsy tokony hatahotra ireo vazaha mpambabo antsika ireo.Tena nampalahelo ny zavatra natao t@ ity Mpanjaka ity indrindra,ary ilay Praiminisitra koa dia tena sadasada.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Misaotra ny mpanolotra sy nympikarakara ny fandaharana,no misaotra indrindra ireo Mpampianatra mpikaroka nanome fanazavana,irina ny hidirana lalina kokoa @ tantarm-pirenentsika fa izany no tsy ampy eto ka nahavery ny kolontsaintsika sy ireo fombafombantsika rehetra ko asio sehatra mivelatra kokoa.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Izao mihintsy no tokony handinihantsika mahakasika ny raharaham-pirenena.Fa maninona isika no tsy mety mandroso?satria tsy mifototra @ tena tantarantsika sy ny fombantsika,mila verenana dinihana ny tena tantaran'i Madagasikara sy ny fototra maha-Malagasy,manankambara ny @ izany izahay ary efa nanomboka nanao izay tokony ho natao,vonona ny hifanome-tanana @ izay mila izany.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Beanjara FANOROLAHY!Miarahaba anao,vonona ny hihaino anao izahay ary miangavy anao mba hizara sy hampafantatra ny kolontsaina misy any @ Faraitra misy anao fa tena tianay tokoa ny halala sy hafantatra izany mba hafahantsika mifandray sy mifankalala tsara,mila miray hina ao anaty faha samy hafana isika fa Malagasy iray rà.Mankasitraka.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Teo @ fitondran'ireo vehivavy Mpanjaka ireo no naha-very hasina ny tany sy ny vahoaka Malagasy,fa tena nahafinaritra kosa aloha ny fihetsika nasehon-dRanavalona I fa tsy nampandrimandry sy nampitondra-faisana ny frantsay mihintsy,no tsy dia nanam-pahefana taminy loatra Ingahy Praiminisitra Rainilaiarivony t@ izany(Ilay Hovalahy fetsy ratsy)fa ireto vadiny taty aoriana no tsy afa-nanaotra ka lasa naha-be fahefana azy,raha tsorona dia Ingahy Praiminisitra no tena mpanapaka ka veloma teo ny fitondrana Andriana fa lasan'ny Hova izy htr@ izao dia izao hitantsika izao.
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Famelabelarana mikasika ny Zanaka: Avy amin’Andriamanitra ny zanaka araka ny finoana hebreo. “Indro, lova avy amin’YHWH ny zanaka maro, tamby ny ateraky ny kibo” : (Salamo 127:3). Hatramin’ny taloha indrindra dia fantatra fa avy amin’Andriamanitra ny zanaka “fa Elohim, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’i Abela, satria novonoin’i Kaina izy.”(Genesisy 4: 25b). Tafita hatraty Madagasikara io finoana hebreo io satria Hebreo ny Malagasy: “Nomen’Andriamanitra ny fara”. Fa ny zana-bazaha kosa dia nentin’ny “cygogne” na notsiponina teny amin’ny laisoa (chou) satria tsy asiany vidiny ny fisian’Andriamanitra. Ny fanirian’ny Zanak’Israely talohan’ny andro fahagola dia ny mba hiterahany fito lahy, mazava ho azy fa fito vavy koa; izany hoe fito lahy fito vavy: “Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra hianao; fa niteraka azy ny vinantonao-vavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy”:(Rota 4:15), “Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; Ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka”: (I Samoela 2:5). Raha vao teraka ny zaza tany Israely dia tsy maintsy arodana ny zava-doza mety hitranga aminy ka ny fomba tany Jeriko no nampiasainy tamin’izany. Nodidinina im-pito ny trano nahaterahan’ny zaza. Mbola fomba malagasy io hatramin’izao. “Ary tamin’ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanàna im-pito toy ny nataony teo, nefa tamin’izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna im-pito izy.”: (Josoa 6:15). Amin’ny andro fahavalo dia forana ny zaza. “Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no ho forana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny faramandimby”: (Genesisy 17:12). Io fomba io dia fomba hatramin’izay teto Madagasikara talohan’ny fora malalaka. Atokana ho Nazirita ny zanaka hebreo mandritra ny telo na fito volana tao aorian’ny nahaterahany; rehefa afaka izany, dia tapahina ny volony: “alavolon-jaza” (Fomba malagasy takelaka 85) “Ary ny Nazirita hanaratra ny lohany izay fitokanana eo anoloan’ny trano-lay fihaonana”: (Nomery 6:18). Rehefa dimy taona eo ho eo ny zanaka hebreo dia ampidirina hianatra: alatsaka; ampianarina ny zavatra mbola tsy fantany. Teto Madagasikara dia nalatsaka any amin’ny fomba jentilisa. Rava noho ny fandrosoana ireo fomba ireo ka izay mitady hamerina azy indray no henjehina. Tokony vahiny no hanenjika ny Zanak’Israely fa tsy ianao izay manana rà hebreo, sa Vazaha ianao? Jereo Boko Haram. “Raha nahare izany Sanbala horonita sy Tobia amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy satria nisy lehilahy tonga nitady izay hahasoa ny Zanak’Israely”: (Nehemia 2:10); “Ary rehefa ren’i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’ny Jerosalema ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany”(Nehemia 4:1). Hirehitra koa izany ny fahatezeranao fa ho tanteraka eto Madagasikara ny toko sy andininy hita ao amin’ny (Deotoronomia 28:9)? Mitandrema ihany fa sao Elohim no henjehinao! -mbola hitohy-
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Hisaorana anareo aloha mba mamokatra fandaharana toy izao na dia heverina fa tsy ampy sy tsy feno mihintsy aza,dia mbola mirary anareo hanao bebe kokoa fa tena ilaina ny fandaharana toy izao.
@rianarakotondrainibe2747
2 жыл бұрын
Misaotra anareo Tohizo fa manampy ny taranaka sy fara Ho ela velona.
@doseup489
4 жыл бұрын
Manja fa ilay tena sarin'Andrianampoinimerina no nasehonareo👍👍👍👍
@doseup489
4 жыл бұрын
Manja fa ilay tena sarin'Andrianampoinimerina no nasehonareo👍👍👍👍
@doseup489
4 жыл бұрын
Manja fa ilay tena sarin'Andrianampoinimerina no nasehonareo👍👍👍👍
@doseup489
4 жыл бұрын
Manja fa ilay tena sarin'Andrianampoinimerina no nasehonareo👍👍👍👍
Tena Mahaliana, mampianatra tantara.. Tohizo fa tena tsara, Tena ilaina.
@doseup489
4 жыл бұрын
Manja fa ilay tena sarin'Andrianampoinimerina no nasehonareo👍👍👍👍
@mbolarasoamanana576
3 жыл бұрын
Tsara ny tantara. Misimisy by tahaka izao
@laurentrajaonalahy5323
3 жыл бұрын
Ekena
@ravelonoro8774
4 жыл бұрын
mankasitraka tompoko !
@beanjarafanorolahy8316
4 жыл бұрын
zahay managna mpanjaka nay
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Dia tokony hanana ny télé nao manokana koa ianao,mba amboary ny fomba fanehoankevitra fa tsy mampandroso,izahay manaja ny foko na ny faritra rehetra n'iza izy,hajainay koa ny fombany,ny fiteniny.
@beanjarafanorolahy8316
4 жыл бұрын
@@benaibary2369 ARY IO MA TELE NY BABANAO
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Za tsy hifamaly @nao fa mila ovana ny toetsaina za zao 'ty ambarako anao fa tsy hiambo ho Merina,mila mivoatra ny toe-tsaina izy koa mikoragna @-olo,zay raha mampiray,izay ataova.Aoka tsy hiafamaly isika fa tsy tsara izany,ny hiavana @nao no tanjoko,koa zareo namoaka an'io fa mba entaniko koa ianao hamoaka nya tantara any @ tany misy anao fa vonona ny hihaino sy hanampy anao aho ny @ izay;Mankasitraka.
@lemaherylahbalita5239
4 жыл бұрын
>Kayy !!! Reo panjaka reo ihany zany no nanao sorona io firenena io ,de ny taranaka aty afara ndray no omena tsiny ?
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Fa ilay taranaka mihintsy koa anie no tena efa alikalika fisainana e!ohatar @ zao fotoana izao sy ny fomba fanehoankevitra,fa ekena fa tena nisy tsy nety tokoa ny nataon'izy ireo na voatery nohon'ny mpamadika ny mpitondra t@ izany,nisy foana ny mpamadika ary miha-maro izy sy ny taranany aty aoriana,misy ny aty ampovoan-tany ary maro koa ny toa izany any @ faritra rehetra manerana an'i Madagasikara.
@doseup489
4 жыл бұрын
Manja fa ilay tena sarin'Andrianampoinimerina no nasehonareo👍👍👍👍
@benaibary2369
4 жыл бұрын
Ostroneziana, toy izao tatitra izao ao amin’ny (Genesisy 1:1) amin’ny teny indoneziana “bahasa indonezia”: “Pada mulanya, waktu Allah mulai menciptakan alam semesta,” izay midika hoe “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”. Hita mazava tsara eto fa tsy misy ifandraisany ny teny indoneziana sy ny teny malagasy. Marihina eto indray fa ny Zanak’Israely ihany no mahafantatra an’Andriamanitra tokana Elohim Ehad. Voatazona amin’ny teny malagasy ny anaran’io toerana nandalovan’i Jakoba io talohan’ny nametrahany ny anarany hoe Betela. Tsy Lozy fa Loza araka izao toko sy andininy izao: “Ary Jakoba nahatsiaro tamin’ny torimasony, dia nanao hoe: “Ato amin’ity fitoerana ity tokoa YHWH, fa izaho no tsy nahalala”. Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: “Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity!”. ” (Genesisy 28:16,17). Jakoba dia zanak’ItsHak rahalahin’i Esav. Roa ambiny folo ny zanany. Io isa io dia tafajanona eto Madagasikara ary nahatonga ny tendrombohitra roa ambiny folo. Roa ambiny folo ny zanak’i Rakiba ao Andraikiba. “Akib” dia Jakoba amin’ny teny kaldeana, “Akub” amin’ny teny arabo ary “Iaakov” amin’ny teny hebreo.
@tianarahaga9576
4 жыл бұрын
Hors sujet
@randriamisataroger498
3 жыл бұрын
Mila ovaina ny fomba famaky ny tantaran'ny firenentsika mba tsy hiononana amin'izay tian'ny vazaha ho fantatra fotsiny. Mankasitraka ireo mpikaroka manokatra takila vaovao momba ny tantarantsika .
Пікірлер: 58