Be dia be ny adin-tsaina
Rehefa tia
Mitebiteby miferin’aina
Rehefa tia
Kivikivy indraindray
Velom-bolo rehefa injay
Ny olon-tiana no mibaboka fa tia
Tsy tambazana harena ny fitia
Tsy midika faharesena ny miia
Ny trano bongo aza
Rehefa tia, rehefa tia
Dia mampiova ny fiainana ho fy
Fa nahoana moa isika
Raha miombona fitia
Maninona ry isika moa e !
Raha mifankatia
Dia hiaraka eny isika
Raha izay no tianao
Hiaraka eny foana, foana
Raha tianao
Ny fihetsikao rehetra
Rehefa tia
Entinao mambabo ahy mba ho tia
Io fijerinao io aza
Rehefa tia, rehefa tia
Manambara fa tia ahy tena tia
Safosafo, teny mamy
Rehefa tia
Mifandefitra hatrany
Rehefa tia
Horokoroka mamy be
Tambitamby be dia be
Tia anao aho, tia anao tena tia
Fa nahoana …
Негізгі бет Rehefa tia - Ny nanahary
Пікірлер: 34