Lalatiana Henriette Rakotondrazafy: Variana nanenjika azy ny Fanoherana ka tsy nahita fa nitombo ho 84 ny isan’ny solombavambahoaka IRMAR tamin’ny vokatra navoakan’ny HCC, kanefa Solombavambahoaka 80 tsy nahazo ny antsasa- manila no azon’ny Vovonana IRMAR tamin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI, hoy i Lalatina Rakotondrazafy tao amin’ny Radio Free FM ny alarobia 03 Jolay. Natao sorona izy tamin’iny fifidianana solombavambahoaka iny mba tsy hampitabataba ny fanoherana manoloana io fitomboan’ny isan’ny solombavambahoaka IRMAR ho 84 io raha ny nambarany. Samy nokianin’i Lalatiana Rakotondrazafy avokoa moa na ny CENI izay nambarany fa voavidy vola, na ny HCC izay nambarany fa nanao fitsarana ara-politika fa tsy araka ny lalàna.
Loharano : Facebook Lalatiana Henriette Rakotondrazafy
Негізгі бет Variana nanenjika azy ny Fanoherana ka tsy nahita fa nitombo ny isan’ny solombavambahoaka IRMAR
Пікірлер: 20