SAZY FARANY
Tantaran'i Radio Don Bosco
Tantara indray miseho
Tantara Malagasy
Naly sy Tefy ary Bakoly dia mpinamana tsy mifankafoy. Tefy sy Bakoly dia mifankatia anefa noraran'i Rain'i Bakoly ary nibedesany an'izy roa mafy, niafara amin'ny fikampohan'ny rainy an'i Bakoly. Sarindra sy Fanja dia mpinamana ihany koa ary misedra olana tahaka an'i Tefy sy Bakoly. Raiki-pitia tamin'i Fanja i Tefy ary niezaka nitady hevitra rehetra hampivelarana ny fifankatiavany.
Noho ny tahotra an'i rain'i Bakoly dia nisitaka lavitra ny renivohitra izy roa kely ka nandeha tany Mantasoa anefa misy olona tsikaritr'izy roa ho manara-maso hatrany. Rehefa nanao velam-pandrika izy roa dia hitany ilay olona mpanara-maso azy ireo ary vehivavy io olona io. Nikarakara fihaonana izy 4 mianadahy (Naly, Tefy, Bakoly, Fanja) ho fanamafisana ny velam-pandrika ary fantatra tamin'izany fa i Sarindra no mpitatitra ny zava-misy rehetra. Tsikaritr'i Sarindra ny fandrika nataon'iretsy namany ka ny valifatiny no nataony tonga aloha.
Mpanoratra : Soza Marie Yollande
Mpilalao : Lanto, Holy, Liva, Faly, Synèse
Nandray feo : Tovo Razanamamonjy
Mpanatontosa : Anjahariliva
#tantara
#sazyfarany
#sarymihetsika
Негізгі бет Tantara Malagasy - SAZY FARANY (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho
Пікірлер: 2